<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>804</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 O, ry Fanahy Masina !
 Izahay ampionao,
 Fa izahay madinika
 Maniry ho Anao.

[V2]
 Ny fonay dia maizina,
 Ka tsy mba fantatray
 Ny tena lala-marina :
 Tariho izahay.

[V3]
 Koa amoròny fo vaovao
 Izahay mpanomponao ;
 Ny ratsy mba esorinao
 Hitiavanay Anao.

[V4]
 O, ry Fanahy Masina !
 Mangataka izahay :
 Mombà anay madinika,
 Henoy ny hatakay.</lyrics>
<title>O, ry Fanahy Masina FFPM804</title>
</song>